Fizahantany: Voalohany i Madagasikara

Nahazo ny loka voalohany, toerana azo tsidihina ho an’ny fizahantany ara-pitsangantsanganana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, i Madagasikara, ho an’ny hetsika “World Travel Awards”, andiany faha-32. Nitazona ity toerana ity hatrany ny Nosy Maorisy, nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny taona 2024.
Anisan’ny masontsivana notakina ny lafiny fahatsaran’ny tontolo sy ny harena voajanahary, ny mampiavaka ny natiora miohatra amin’ny hafa ary indrindra ny fahasamihafan’ny isan-toerana. Anisan’ny firenena nandray anjara nisafidianana ny Nosy Maldives, Maorisy, La Réunion ary Seychelles.
Manampy izany, nitazona hatrany ny voalohany nandritra ny 10 taona nisesy, ho moron-dranomasina tsara indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny any Andilana Beach Resort Nosy Be. Mpampanofa fiara ho an’ny fizahantany mendrika indrindra eto Madagasikara ny orinasa Hertz. Orinasa mpikarakara fandraisana mpizahatany tsara indrindra ny Cactus Tours Madagasikara. Hotely lehibe mpampiantrano vahiny tsara indrindra ny Andilana Beach Resort. Trano fiantranoana mendrika indrindra ny Princesse Bora Lodge&Spa any Sainte Marie.

Njaka A.

Partager sur: