VAOVAO TAMBATRA

Niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly, ny fifamoivoizana amin’ny RN5 (PK64). Vita ny fametrahana ny tetezamby vonjimaika, Pont Bailey, eo Andranotsara, any Mahambo. Tsiahivina fa vokatry ny lanja tafahoatra nentin’ny fiarabe iray no nahatonga ny fahatapahan’ity tetezana ity.

Hatomboka any Toamasina ny tetikasa ViSaina, miompana amin’ny fametrahana fototra ho an’ny tanàna madio, salama ary maharitra. Hifanto­hana ny asa famoronana (Smart City Lab), ny fitantanana ny fako sy ny angovo, ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny rohivoahary, ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana.

Mitohy ny fampiofanana ara-pamokarana any Ambatolampy, faritra Bongolava, ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Toy ny teknikam-pambolena Pfumvudza sy ny Papriz, ny fiompiana akoho. Miisa 2 000 ny akoho gasy nozaraina, hanombohana ny fiompiana. Ho tohizana manerana an’i Madagasikara ny fanohanana.

Partager sur: