« Zotra Fitaratra »: Hampitohy an’Ankorondrano-Amoronankona ireo fiara vaovao

Ho santarina amin’ny zotra miainga eo Ankorondrano hatreny Amoronankona By Pass ireo fiarabe mpitatitra vaovao. Miisa 22 ny toeram-piantsonana mandroso sy miverina.

Hampiasaina ireo fiarabe mpitatitra vao nafarana tonga eto amintsika. Anisan’izany ny fametrahana ny « zotra Fitaratra », miainga eny Ankorondrano mandray ny arabe Marais Masay, mandalo ny Rocade Iarivo, mifarana eny Amoronakona. Tomba­nana haharitra adiny 1 ora sy sasany hatramin’ny adiny 2 ora ny hahavitana io elanelana io. Miisa 22 ny fiantsonana mandroso sy miverina. Miisa 42 ny andiany voalohany amin’ireo fiarabe mpitatitra vaovao ireo, ka 12 ny mandeha amin’ny herinaratra, raha 30 ny mandeha amin’ny gazoala.
Tsiahivina fa nampiasaina voalohany ireo fiarabe ireo ni­taterana ny olona hijery ny la­nonana teny amin’ny «Lac Iarivo» Ivato, ny alin’ny 25 jona teo. Heverina fa hampiasaina hiantoka ny fitaterana eo Tsarasaotra hatreny Ivato ny fiarabe elektrika. Mbola hisy anefa ny fiofanana, izay voalaza fa vehivavy no hatao mpamily. Olona telo no hiandraikitra ny fiarabe elektrika iray, hiteraka asa 200. Mano­didina ny 1 500 ny mpiasa ho raisina hiantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra.

Mitotaly 312
Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana, nandritra ny fandraisana ofisialy sady fampisehoana ireo andiany voalohany, ny 25 jona teo teny amin’ny CCI Ivato, fa hisy andiany faharoa, miisa 100 ho avy amin’ ity volana jolay ity, ary andiany fahatelo miisa 170 amin’ny fiandohan’ny volana aogositra. Izany hoe, miisa 312 ny fitambaran’ireo fiarabe mpitatitra izay haparitaka manerana ny tanàn-dehibe, toy ny any Nosy Be, Antsira­be, Toama­sina, Fianarantsoa, Mahajan­ga ary Toliara.
Azon’ny mpandraharaha na kaoperativa na orinasa ihany koa ny mifampiraharaha amin’ny fanjakana, raha hanofa na hividy. Marika Foton, avy any Sina ireo fiarabe ireo.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: