Menabe Antimena : Manohana ny velon- tenan’ny mponina ny ONG Fanamby

Anisan’ny miaro sy mitantana ny Faritra arovana Menabe Antimena (APMA) ny ONG Fanamby. Nihaona tamin’ireo mponina eny ifotony izy ireo, ny 1 hatramin’ny 4 jolay teo, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Me­nabe. Nisy ny fifanakalozan-kevitra, nijerena ny fomba entina hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina, izany hoe, fanohanana ny asa fihariana mampidi-bola (AGR). Satria, tanjona ny hisian’ny fihariana maharitra sady mitsinjo ny tontolo iainana, mba tsy hikasihana sy handripahana ny ala voajanahary intsony ao anatin’ny APMA.
Seha-pihariana ho tohanan’ny ONG Fanamby, ny fiompiana tantely, akoho gasy ary ny fambolem-bary. Hahazo fiofanana ireo mpisitraka, mba hampahomby ny fihariana ataony. Sady homena tosika ara-pitaovana ihany koa ireo izay efa misehatra amin’ny fihariana voalaza ireo. Voakasiky ny tetikasa ireo kaoperativa, fikambanana ary vondrom-piarahamonina any amin’ny fokontany Tsimafana, Lambokely, Anketre­vo, Mandroatsy ary Beroboka Avaratra.

Njaka A.

Partager sur: