Tsy maintsy mampahafantatra ny karazan-ketra aloany ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny vaventy. Mila fantatra koa ny olona manana petra-bola 5% fara-fahakeliny.
Hamafisina ny ady amin’ ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Natao, sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fitantanana foibe ny hetra (DGI) sy ny rafitra Fametrahana ny mangaraharaha amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy (EITI). Nanao sonia ny fifanarahana, ny Tale jeneraly (DG) ny Hetra, Germain sy ny tale mpanatanteraka (DE) ny EITI Madagasikara, Marc Sergio Clerc.
Voafaritra ao anatin’izany ny mahakasika ny olona manana petra-bola 5% fara-fahakeliny ao amin’ny orinasa mpitrandraka, na « Bénéficiaire Effectif » (BE). Mifanaraka amin’ny Sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany nohavaozina izany, araka ny fepetra takin’ ny fenitra iraisam-pirenena EITI. Ny lalàna n°2023-007 dia milaza fa tsy maintsy ataon’ny orinasa mpitrandraka ny manao fanambarana ny BE. Faharoa, ny didim-panjakana n°2024-1464, milaza fa 5% fara-fahakeliny ny petra-bola hamantarana ny mpandraharaha (BE) ao anatin’ny orinasa araka ny fenitra EITI.
Tamberin’andraikitra
Araka ny fenitra EITI ihany, tsy maintsy mampahafantatra ny antontam-baovao ara-bola arotsany amin’ny fanjakana ny orinasa mpitrandraka. Ao anatin’izany ny hetra, ny haba, ny onitra ara-ketra amin’ny antsipiriany, mba hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ny sehatry ny fitrandrahana.
Tanjona amin’ity fifanarahana natao ity ny hamantaran’ny besinimaro ny « Bénéficiaire Effectif », hisorohana ny kolikoly. Ahafahana mamoaka foana ny hetra naloan’ ny orinasa ihany koa. Hanamora ny fahalalan’ny rehetra ny antontam-baovao ao amin’ ny Fitantanana ny hetra (DGI). Ary miantoka ny fampanarahan-dalàna araka ny fenitra EITI.
Njaka Andriantefiarinesy




