Rallye des Industries: Manampy ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa

Mitombo ny herijikan’ireo tanora mandray anjara amin’ ny “Rallye des Industries”. No­tanterahina ny sabotsy 5 jolay, tao amin’ny auditorium Havoria Anosy, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana. Mpia­natra sy orinasa miara-misalahy no nandrafitra ireo “binômes” folo nifaninana ta­min’ny fahaiza-mamorona sy fahakingana mba hahazo toerana amin’ny dingana ma­naraka.
Tanjon’ny fifaninanana ny hanampiana ny tanora any amin’ny oniversite sy ny se­koly ambony hiditra amin’ny sehatry ny asa. Mikarakara azy ny Sendikan’ny Indostria eto Ma­dagasikara (SIM) sy ny Agence Mercatis. Omena vahana ma­nokana amin’ny fiofanana arakasa ao amin’ny orinasa mpanohana ny eki­pany ny mpianatra rehetra mandray anjara.
Natrehin’ny mpandray an­jara ny fanadinana toy ny quiz, blind test, fanadihadiana tranga ary fanehoan-kevitra am-bava. Nojerena ny fahaiza-mandinika, ny kolontsaina indostrialy, ary ny fahaiza-manazava hevitra amin’ny fomba hentitra. Ani­san’ny lohahevitra noresahina ny fanodinana ara-indostria, ny fandraharahana ary ny siansa sy ny teknolojia. Tsy nisy ekipa nihintsana aloha hatreto, saingy manan-danja ny isa azo amin’ny famaritana ireo ho tafita amin’ny dingana manaraka izay atao ny sabo­tsy 12 jolay ho ay izao, ao amin’ ny Havoria Anosy hatrany. Maimaimpoana ny fidirana ho an’izay maniry hanatrika ny fifaninanana na koa hanotrona ny “binôme” tohanany.

Henintsoa

Partager sur: