Tsy mahazo mihoatra ny 44 taonina ny lanja ambony indrindra azon’ny fiara mpitatitra entina amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Tsy ny fiara rehetra anefa no afaka mitondra izany, fa miankina amin’ny vavan-kodiarana (essieux). Misy ny tetezana asiana takela-by mamaritra ny lanja azo zakaina. Mila fahazoan-dalana manokana (convoi exceptionnel) ny mihoatra io vesatra io.
Hosokafana rahampitso amin’ny 2 ora tolakandro, ny « Festival des Baleines 2025 » any amin’ ny Nosy Boraha. Amin’ny alalan’ny filaharambe « Carnaval » no hanehoana izany. Mifanandrify amin’ ny filankevitry ny minisitry, tarihin’ny Filoha Rajoelina Andry any an-toerana ity hetsika ity, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana.
Atrikasa roa no nataon’ny Fadintseranana teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Voalohany, ho an’ireo Lehiben’ny Sampandraharaha sy « Receveurs des Douanes », nanamafisana ny Drafitrasa stratejika 2025-2029 ho an’ny mpitarika. Faharoa, nampivondronana ny rantsa-mangaikan’ny serasera eny amin’ny birao sy ny sampandraharaha tsirairay avy.




