Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny antoko Avi, teny Ivato, omaly. Niatrika izany na efa nisotro ronono aza, ny mpanorina, Ratsirahonana Norbert Lala. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe ny tenany. “Tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona izany aho ary tsy mieritreritra ny hanao na inona na inona intsony. Tsy hanaiky hotendrena na hofidina amin’ny toerana eo anivon’ny fitondrana koa. Ny antoko Avi aza nialako ka hanao inona indray”, hoy izy. Nanteriny fa efa be ny vitany ka ampy izay. Na izany aza, nilaza ny tenany fa mbola vonona hatrany hiady hevitra ary tsy mandà ny hihaona na koa hanome hevitra amin’ireo mila izany.
Tsy manavaka antoko na firehana
Tsy anavahana antoko na firehana izany, araka ny nambarany. “Maro ireo mangataka fihaonana amiko fa tsy mandà aho. Heveriko fa fahalalam- pomba ny mandray azy rehefa misy ny fangatahany fihaonana amiko any an- tranoko… “, hoy ihany izy.
Nohazavainy koa fa anisan’ny nahatongavany teny Iavoloha, vao tsy ela akory ny maha filohan’ny Andrimpanjakana azy teo aloha. Mbola manan-kery ny didim-panjakana momba izany ary ao anatin’ny laharan’ny arofenitra ny filoham-panjakana rehetra teo aloha. Notsindriny fa nisolo tena ny Avi teny Iavoloha kosa ny mpitantana vonjimaika ny antoko, Rabetsaroana Sylvain, niaraka amin’ireo lehiben’ny antoko.
Synèse R.