Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny 9 jolay teo, tany Paris, nandritra ny fivoriambe faha-47 ny Kaomity ny vakoka iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco, fa nesorina tsy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny Ala mando Atsinanana.
Miisa enina ny Valanjavaboahary mandrafitra ireo ala mando ireo, i Masoala, Marojejy, Andohaela, Zahamena, Ranomafana ary Andringitra. Ahitana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita raha tsy any an-toerana avy ireo faritra arovana ireo.
Nitarika ny delegasionina tany Paris, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine, nitondra ny feon’ i Madagasikara nandritra ity fivoriamben’ny Unesco ity.
Anisan’ny nahazoana izao vokatra avy amin’ny Unesco izao ny fiaraha-miombon’antoka, nataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Madagascar National Parks (MNP), ny ONG na ny fikambanana mitantana ny faritra Arovana (AP) isan-karazany, ny tompon’andraikitra eny ifotony, ny Vondrona olona ifotony (VOI), ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa.
Nohamafisina ny fiarovana ny atiala
Nisy ny fanovana azo tsapain-tanana tamin’ny haitondra ara-tontolo iainana sy ny asa notanterahina teny ifotony. Nohamafisina ny fiarovana ny ala sady nampandraisina anjara ny mponina sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony.
Hanamafy sehatra maro ny fahazoana izao vokatra izao. Toy ny fizahantany maharitra, ny sehatra maitso, ny famatsiam-bola amin’ny tetikasa eny ifotony ary ny fahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara.
Njaka
Andriantefiarinesy




