Tontolo iainana: Hampiasaina hitiliana trangan’afo ny « drônes »

Natao, omaly, teto Antananarivo, ny atrikasa, mahakasika ny fanovana mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia maoderina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Tanjona ny hisian’ny antoka mahomby sady ma­haritra ho an’ny taranaka fara-mandimby.
Naseho nandritra ity fotoana ity ireo fitaovana avo lenta « drônes », ampiasaina amin’ny sidina ana habakabaka, avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena Durrell, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nilaza ny talen’ny Faritra Arovana, ny harena voajanahary azo havaozina ary ny rohivoahary (APRNE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), Rafefason Tojotsara, fa mafy ny ady atrehina amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto amin­tsika. Koa, ampiasaina ny paikady rehetra iarahan’ny minisitera sy ireo mpiara-miom­bon’antoka isan-tsokajiny. Anisan’izany izao iarahana amin’ny Durrell izao, toy ny fampiasana ireo « drônes » ireo. Efa aman-jatony ny olona nahazo fiofanana amin’ny fifehezana ity fitaovana ity manerana ny Nosy. Tsy mijanona ho fampiofanana fotsiny, fa tsy maintsy misy ny fampiharana. Anisan’ny azo ampiasana ny « drônes » (Matrice 4) ny fitiliana ana habakabaka ny zava-misy anaty ala na tanety, raha sendra misy ny fikapana hazo tsy ara-dalàna, ohatra. Fa indrindra koa ny mijery ny trangan’afo sy ny toerana iaingany. Ahafahana manaraka sy manombana ny fivoaran’ny tontolon’ny zava-mananaina. Toy ny fambolen-kazo sy ny famerenana amin’ny laoniny ny ala. Tsy maintsy ataon’ny mpitantana ny Faritra Arovana laharam-pahamehana ao anaty drafitrasany ny fampiasana ny teknolojia niomerika.

Fiaraha-miasa amin’ny VOI
Tsy mijanona ho ny lafiny fitaovana fotsiny ny paikady raisina. Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Dur­rell, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI), izay tena manana andraikiny lehibe eny ifotony. Satria izy ireny no tena iankinan’ny fiarovana ny harena voajanahary, miambina ny tontolo mananaina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: