Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao.
Maherin’ny 14 000 ny tokantrano hisitraka herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohiatra any Toamasina. Mahatratra 2 732 Kwh ny vokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miampy rano. Miisa 77 ihany koa ny toeram-pitsaboana CSB hampidirana herinaratra avy amin’ny tetikasa LEAD ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana.
Miisa 25 ny tranoheva etsy amin’y zaridainan’Antaninarenina, mandray anjara amin’ny Tsenaben’ny Fromazy. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny Malagasy manjifa ny vokatra avy amin’ny ronono. Omen-danja ireo mpamokatra fromazy sy ny mpandraharaha madinika malagasy, eto afovoan-tany.




