Misasaka ity ny taona, fa toa tsy mahita mangirana mihitsy ny baolina kitra, ilay taranja mankarary ny ain’ny Malagasy. Velombelon-dratsy toa kitoatoa izato izy. Afaka andro vitsy, hiatrika fifaninanana goavana na ny Barea A na ny A’. Miseholany sahady anefa ny tsy fitoviana, eo amin’ny mpitantana amin’izao fotoana izao. Lasa mifandringotra hatramin’ny fanomanantenan’ny mpilalao. Aza atao toy ny angady ny fitondrana azy, ny ilany mihoso menaka ary ny ilany mihoso-potaka. Ny andaniny misintona miankavia, ny ankilany misintona miankavanana, tsy hita intsony izay arahina sy toloran-tanana. Vokany, mivaralila be ihany izy ity.
Raha tazanina ivelany, toa milamina fa raha antonina sy jerena ny atiny tena mifanipaka toa valala an-karona. Misy ady manara ao ary toa tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Ny mpilalao ihany anefa no voa amin’izany. Toy ny tandindona manjohy olona izy ireo ka raha maloka ny andro misara toerana. Aza atao fitondra angady, rey olona ka ny lafiny iray mihoso menaka ny lafiny iray mihoso potaka.
Tsy ny mpankafy ihany no mahatsinjo tsy fetezana amin’ ity baolina kitra ity, fa na ireo mpanapa-doha avy any ivelany aza. Hatreto, tsy mbola andrenesam-peo aloha izy ireo. Na izany aza, karazan’ny fampitandremana an-kolaka ity tsy fahazoana fankatoavana ny kianjan’ny Mahamasina ity. Mety misy mahazo tombontsoa ny amin’izany saingy ireo vitsy anisa. Toa lasa angady mondro tsy maha tapaka ahitra sy angady tapaka tsy mahavaky tany ny federasionina (FMF). Koa aza atao toy ny angady ny fitondrana azy, ka ny aloha mihoso menaka, ny afara mihoso potaka.
Tompondaka




