Vita tsara daholo ny lalana rehetra any amin’ny Nosy Sainte Marie na Nosy Boraha, izay notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, ny 11 jolay teo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic2 sy ny Pic3 izany.
Namatsy vola ny asa ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbolan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Ofid). Mampiavaka azy, ity no lalana lava indrindra tamin’ny tanàna iray, mirefy 89 km, ka natao godirao ny 55 km ary lalan-tany ny 34 km.
Manampy ny lalam-pirenena RNS 21, vita godirao sy rarivato koa ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Sainte-Marie rehetra. Mampifandray mihodidina ny Nosy Boraha tanteraka ity lalana vita any an-toerana ity. Mizara dimy ny zotran-dalana nifampitsinjaran’ny famatsiambolan’ny BM sy ny Ofid. Any amin’ny tapany atsinanana, voalohany (Axe 0) ny lalana RNS 21 ao an-tampon-tanàna, mitotaly 10 km, natao godirao sy rarivato avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Faharoa (Axe1), ny lalana Lokintsy-Ravoraha mankany amin’ny seranam-piaramanidina, akaikin’ny Nosikely Ilots Madame, mirefy 17 km, avy amin’ny Ofid, vita godirao. Fahatelo (Axe 4), ny Ambodiatafana – Lokintsy, natao godirao, notohanan’ny BM. Anankiroa kosa, ny lalan-tany, any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy Boraha, mirefy 24 km ny (Ankirihiry-Ambodifotatra (Axe 2), ary mirefy 10 km ny Ambodifotatra-Vohilava (Axe3).
Ho lasa tanàn-dehibe maoderina
Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, fa azo ampitahaina amin’ny nosy Seychelles ny nosy Boraha, amin’izao fotoana izao, noho ny hakanton’ny tanàna sy ny hatsaran’ny lalana, raha toa ka mifanahatsahana amin’i Maorisy ny any Nosy Be. Nanamafy izany ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, fa manova an’i Sainte Marie ho lasa tanàn-dehibe maoderina ny fahavitan’izao lalana izao. Ho mora ny fivezivezena sy ny fitaterana. Handroso sy hivoatra ny fizahantany.
Njaka Andriantefiarinesy




