Natao teto Antananarivo, ny 8 sy ny 9 jolay teo, ny dinika nasionaly mahakasika ny fampifandrifiana ny rafitra ara-tsakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famokarana maharitra. Natao izany entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, satria efa miantraika amin’ny seha-pamokarana isan-tsokajiny. Anisan’ny nivoitra nandritra ny atrikasa, fa zava-dehibe ny fandraisana andraikitry ny rehetra amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-tsakafo. Satria, fototry ny faharetan’ny famokarana ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny fanajana ny tontolo iainana, mifandray feno amin’ny famokarana. Tsy azo sarahina ny fanajariana ny tany sy ny fanamboaran-dalana. Eo koa, ny lafiny fandriampahalemana eny ifotony, iantohana ny famokarana. Ilaina ny fikarohana famatsiam-bola ho an’ny sehatra fototra. Tanjona ny fametrahana ny Politika nasionaly maharitra sy mipaka eny ifotony.
Ireo dia natao hanatanterahana ny vina napetraky ny filoha Rajoelina Andry hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, vahoaka voky sy salama ary afaka miasa.
Nandray anjara tamin’ity dinika nasionaly ity ny avy amin’ny fanjakana, ny mpamokatra, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika samihafa. Anisan’izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Jono sy ny Toekarena manga, ny FAO sy ny ONN…
Njaka A.




