Mizotra mankany amin’ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo ny mpamokatra any amin’ny Nosy Boraha na Sainte Marie. Notohanana ara-pitaovana sy zezika ny tantsaha.
Maro ny hetsika natao, ka anisan’izany ny fanoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SE-SA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, nanomboka ny 10 jolay teo. Miisa 200 ny tantsaha avy any amin’ny fokontany Vohilava sy Mahavelona, nisitraka fitaovam-pamokarana miisa 120 (angady, siny fanondrahana, broety), masomboly voananana 500 fonosana (anana, laisoa, voatabia, voatavo) ary zezika 2 taonina. Samy manana velaran-tany 5 ara tsirairay avy izy ireo,
Nahazo boky torolalana ara-teknika hanatsarana ny fomba fambolena maharitra sy mahomby ireo tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny mpamokatra tantanam-pianakaviana ity hetsika ity.
Mirefy 30 ara ny vala fampirantiana ho an’ny voly vary safiotra napetraka any amin’ny fokontany Lokintsy. Natao ho fanehoana mivantana sy fitaratra ny fahombiazan’ny vary safiotra any Sainte Marie. Marihina, fa maherin’ny 1 200 ny tantsaha efa nisitraka ny tetikasa miaraka amin’ny zezika 101 taonina, nampiasana tany mirefy 150 ha.
Fitotoam-bary sy fanodinam-bokatra
Notsidihin’ny SESA ihany koa, notronin’ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza, ny velaran-tany any Analaranja Ambodifotatra, iarahana miombon’antoka amin’ny orinasa Sinomach. Hananganana fitotoam-bary manara-penitra ity toerana ity, hanatsarana ny rojom-pihariana vary. Nojerena koa ny fanodinam-bokatra nay Lokintsy, tantanin’ny vondrona olona ifotony.
Nohazavain’ny SESA, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa ho tohizana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny fisitrahana ny fandaharanasan’ny filoha Rajoelina Andry. Nomarihiny fa anisan’ny distrika miroso any amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo ny Nosy Boraha, sady fo mitepon’ny asa famokarana any Analanjirofo.
Njaka Andriantefiarinesy




