Korontana tany Toliara : Miverina amin’ny laoniny ny filaminana

Nanao fihetsiketsehana nataon’ny fikambanana Mazoto, ny herinandro lasa teo, nanohitra ny tetikasa Base Toliara. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary mitohy ny asa fampandrosoana.

Tranga niniana natao. Nokorontanin’izy ireo ny asa fanarenana ny sekoly EPP Benetse, sy ny fanamboarana fotodafitrasa rano madio any Saririake, vatsian’ ny Fiarahamiasa japoney (Jica) ara-bola, izay tsy misy ifandraisany amin’ny tetikasa Base. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana, ka olo­na 4 no nosamborina, ary efa navotsotr’ireo mpanao fihetsiketsehana ny takalon’aina roa.

Etsy ankilany, mitohy tsy tapaka ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mponina any amin’ny fokontany, ny kaominina, sy ny Base Toliara, efa am-bolana maro izao. Tante­raka izany, noho ny fametrahana ny Vovonana maharitra ifandraisana eny an-toerana (PLL) any amin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa. Nilaza i Mbolatahana Mahafianaritsy, miandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny Base, fa «hita ao daholo ny sokajin’olona eny ifotony, toy ny Olobe, ny tanora, ny vehivavy, ny manana fahasembanana, ny tompon-tany, ny tompom-pasana, ny Fiarahamonimpirenena, ny ONG, sns».

Fihaonambe ara-toekarena

Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Base, Ramahefarivo Jean Bruno, fa mitohy ny asa nifanarahana tamin’ny foko­nolona, amin’ny lafiny sosialy, ny taona 2019. Toy ny fa­namboarana siniben-drano fisotro any Tsianisiha, Tsia­fanoke, ny famatsian-drano any Benetsy sy Belalanda, izay vita tamin’ny herinandro lasa teo ny fandavahan-drano (forage). Mandeha ny fanavaozana ny Fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIE), miaraka amin’ny bokin’andrai­kitra, satria singa vaovao ta­fiditra ao anatiny koa ny mo­nazita. Eo koa, ny fanadihadiana ny hananganana ny seranantsambo. Ho maro ny karazana mpiasa ho raisina.
Manampy ireo, hatao amin’ ny 17 sy 18 jolay izao, ny Fi­haonambem-paritra ara-toekarena (FER) any Toliara, ka handray anjara feno ny Base Toliara, ahalalan’ny besini­maro azy bebe kokoa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: