Naneho ny maha mpiara-miombon’antoka amin’ireo orinasa vonona hampivoatra ny tontolon’ny niomerika ny Airtel Business. Nampahafantarin’ ny sampana fandraharahana, Airtel Business, tamin’ny fomba ofisialy ny 24 jona teo, ny vovonana Red Circle. Sehatra iray hivondronan’ny mpitarika, ny mpandraharaha ary ny mpanapa-kevitra, izay mitovy tanjona. Hampifandraisana ny faharanitan-tsaina, ny fanadihadiana ary ny vina hampandrosoana ny lafiny niomerika, ankehitriny mizotra mankany amin’ny hoavy.
Nohazavain-dRandriamanana Santatriniaina, tale ny Airtel Business, fa « mifototra amin’ny andry telo lehibe ny Red Circle. Ny fifandraisana, ny fikarohana zava-baovao ary ny fifampizarana. Ao anatin’izany ny fampifandraisana ny talenta, ny hevitra, ny vahaolana, ny zava-baovao entin’ny tsirairay, ny fifampizarana ny fanadihadiana, ny zavatra manan-danja ary ny fahasahiana. Satria ny fampifandraisana an’ireo mpitarika amin’izao fotoana izao no mamolavola ny niomerika. Fanoitra lehibe ho an’ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra rehetra ny Red Circle ».
Nanatrika ny fampahafantarana ity vovonana ity ireo Malagasy mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana isan-tsokajiny.
Njaka A.




