VAOVAO TAMBATRA

Nahazo famatsiam-bola 211,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena i Madagasikara. Hoentina hanamafisana ny fotodrafitrasa manoloana ny loza voajanahary, indrindra ny tondradrano sy ny rivodoza io vola io. Anisan’izany ny hanarenana ny tetezana Mahavavy sy Ifasy (RN6), fanomanana tetezam-by vonjimaika, sns.

Mora sy mateza kokoa ny fampiasana arina ekolojika miohatra amin’ny saribao sy kitay mahazatra. Nanentana ireo mpivarotra hani-masaka sy mpanao sakafo eny amin’ny faritr’Ankatso ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, ny faran’ny volana jona teo. Efa miparitaka any amin’ny faritra maro eto amintsika ny arina ekolojika.

Hatao ny 17 sy 18 jolay ho avy izao, any Toliara, ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Fotoana koa hanasongadinana ny otrikarena amin’ny lafiny rehetra, afaka hiteraka fampandrosoana any an-toerana. Anisan’izany ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fizahantany, ny varotra, sns.

Partager sur: