Nambaran’i Christophe Dessaints, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andraharo, fa hiampy efatra ny fahitalavitra malagasy ho hita ao aminy dia ny TVM 2, ny Free TV, ny Malagasy Tv ary ny Real TV. Ao anatin’ireo 9 voalohany izy ireo, ary hanomboka ny 28 jolay izao ny fahitana izany. Mba hamaliana ny fangatahan’ny mpanjifa ny antony. Ankehitriny, mihoatra ny 190 ny onjam-peo sy fahitalavitra, arahina amin’ ny alalan’ny famandrihana.
Hisy koa tolotra vaovao miisa telo, ny Canal + Pop, ny Canal + Elles ary ny Canal + Family. Eo koa ireo handefa sarimihetsika sy horonantsary mitohy ary ny fanadihadiana. Nohazavain’ny tomponandraikitra fa tsy misy masontsivana ny fidiran’ireo fahitalavitra ao amin’izy ireo fa mila manao fangatahana fotsiny.
Fantatra fa handefa ny lalaon’ny “Chan” handraisan’ny Barea de Madagascar anjara sy ny Afrobasket, hifaninanan’ ny Ankoay ny Canal Plus. Raha tsiahivina, ny 1 aogositra no hanomboka ny Chan raha amin’ny tapaky ny volana kosa ny Afrobasket.
Torcelin




