Atsimo Andrefana-FER 2025 : Hampiroborobo sehatra maro ny fisian’ny tetikasa lehibe

Nanokatra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (Fer) Atsimo Andrefana, ny 17-18 jolay, tany Toliara, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina. Izy rahateo no mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana.

Notsipihiny manokana fa « araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, tsy misy kaominina, na distrika, na faritra ho hadino. Hampiro­borobo ny fifandraisana ara-toekarena ho an’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy, toy ny Base Toliara, ohatra, sy ny seha-pihariana hafa ity fihaonambe andiany faharoa, mandritra ny roa andro ity. Sady hamelomana ny toekerana ifotony sy ho an’ ny faritra. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny manosika ny faritra sy ny kaominina mba hivoatra. Mihaona mivantana ny sehatra rehetra amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany, toy ny jono, ny fambolena, ny fizahantany, sns. Efa ela ireo ha­rena ireo no teo, hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan­tena. Hita aty an-toerana ny tetikasa maro, mampivelatra sy mitondra fampandrosoana ny tetikasa samihafa, toy ny Mionjo, ny Pic, sns. Mila hampiana ny traikefan’ny olona satria ilaina ny fahaizana ».

Avy any Atsimo ny fampandrosoana

Nilaza ny minisitry ny Jono (MPEB), Mahantante Paubert, fa mifameno ny velontenan’ny mponina any Atsimo Andre­fana. Dia ny jono madinika, ny fiompiana janga (cocombre de mer), ny fambolena lomotra, sns. Manaporofo ny tenin’ny filoham-pirenena ireo, fa avy aty Atsimo ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ho an’ny minisitry ny Fiza­hantany sy ny taozavatra (MTA), Dewa Viviane, malaza amin’ny fizahantany i Toliara, manana morontsiraka 350 km. Eo am-pikarakarana hanitarana ny seranam-piaramanidina ny fan­jakana. Hapetraka ny zotram-piaramanidina, toy ny mampifandray amin’i Afrika Atsimo, La Réunion, Mayotte, sns. Misy mpandraharaha avy any Nosy Be vonona handraharaha any Toliara.
Notsorin’ny governora Ra­noelison Tovondrainy, fa velom-panantenana ny Atsimo An­drefana fa tsy maintsy mandroso manoloana ireo rehetra ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: