Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havaozina ny fampandrosoana maharitra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka (convertisseurs), ny mpandrindra ny tanjaka, ny bateria, ny fitaovam-piarovana, ny kojakoja manolo ny delestazy, sns. Manomboka enim-bolana hatramin’ny 48 volana ny fotoana handoavana tsikelikely ny vidiny. Nilaza ny talen’ny serasera ivelany ao amin’ny Sipem Banque, Randrianarison Henintsoa, fa anisan’ny voalohany amin’ny fampiroboroboana ny angovo maitso izy ireo.
Manamafy izany ny tomponandraikitry ny Solarmax, Ranjanahary Miharisoa, fa efa mirona any amin’ny findramam-bola maitso, ankehitriny, ny ankamaroan’ny mpandraharaha. Hamaha ny olana amin’ny lafiny ara-bola, mba ho takatry ny rehetra, ny olon-tsotra, ny mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME), ny fikambanana, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, sns, ity fiaraha-miombon’antoka amin’ny Sipem ity. Tombony ho an’ny mpanjifa ny vokatra azo antoka, tsara kalitao, sady maharitra. Hita eny Andraharo sy ao amin’ny Tana Water Front ny tranombarotra Solarmax.
Njaka A.




