Fifindra-monina sy ny toetr’andro : 3,5 tapitrisa dolara hanohanana ny eny ifotony

Miantraika amin’ny fiarahamonina ny fiovan’ny toetr’andro. Sambany maneran-tany misy tetikasa mampirindra ny ady amin’ny hetraketraky ny toetr’andro sy mametraka ny fandriampahalemana.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Am­bovombe, faritra An­droy, ny 17 jolay teo, ny tetikasa lehibe iray mikendry ny hampihenana ny fifandirana sy ny disadisa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny ao amin’ny Rano, fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), ary ny rafitry ny Firenena mikambana (SNU). Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny Firenena mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana (FNUCP). Haharitra 36 volana ny tetikasa, ka hanatanteraka azy any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, ny Unicef, ny OIM ary ny Unesco.
Araka ny antontanisa tato anatin’ny 20 taona farany, miisa 45 ny rivodoza nandalo teto Madagasikara, tondradrano 18 ary haintany 7. Tena nizaka ny vokany ny tapany atsimon’ny Nosy, satria tena marefo manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Nihena ny loharanon-karena voajanahary, ka nanome vahana ny fifindra-monina. Ireo rehetra ireo no niteraka ny 62% ny disadisa eny ifotony sy eo amin’ny fiarahamonina. Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, fa tanjona ny hanohanana ara-pampandrosoana ny mponina eny ifotony, mba tsy hifindran’izy ireo monina, miala ny tanànany.

Mpisitraka 435 000

Maherin’ny 435 000 ny olona hisitraka ny tetikasa, ka omena vahana manokana ny vehivavy sy ny tanora. Hapetraka ny rindran-damina hanamafisana ny rafitra hisian’ny firaisankina ara-tsosialy, ny fitantanana mitovy lenta sy mangarahara ny loharanon-karena voajanahary, toy ny rano. Tanjona ny hisorohana ny herisetra sy ny hisian’ny fitovian-jo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: