Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-Soanierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny orinasa CRCC, miainga eo Ranomafana, mandalo Antsampanana, …, hatrany Ampasamadinika. Mandeha ny fikikisana sady fanalana ny godirao teo aloha simba. Misy koa ny ampahany efa nametrahana sosona fototra. Ny orinasa Colas kosa no miandraikitra ny eo Ampasamadinika hatrany Toamasina. Eo am-panatanterahana ny fandrarahana tsikelikely ny godirao.
Mahakasika ny RN5, am-perinasa tanteraka ny orinasa CRBC, manarina ny ampahany miainga eo Toamasina hatrany Foulpointe, lalana mirefy 55 km (PK0-PK55). Aravona ny toerana tena ratsy, mialoha ny hanombohana ny asa fanarenana.
Efa nanomboka ny volana avrily ihany koa ny fanarenana ny ampahan-dalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambondromamy sy Ambanja. Anisan’ izany ny any Tsarahasina, Anjiamangirana, Marovantaza, sns. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI-CERC, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.
Njaka A.




