Nandray anjara tamin’ny velakevitra nandritra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa, natao tany Toliara, ny 17 sy 18 jolay teo, ny minisiteran’ny Harena
an-kibon’ny tany (MMRS). Lohahevitra noraisina ny « Atsimo Andrefana, tany manan-karena an-kibon’ny tany ». Nisolo tena ny minisitera, ny talen’ny Kabinetra, Rakotomalala Tahiry Andriamiarintsoa, nanazava ny fampahafantarana ireo fanavaozana natao teo amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Anatin’izany ny lalàna mifehy, ny didy fampiharana, ny drafi-panadiovana ny kadasitra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hisian’ny fitantanana mangarahara.
Eo koa ny tetikasa efa mihodina sy ny andalam-pirosoana, ny tetikasa goavana, ny tombony sitrahan’ny mponina, ny vola ampidirin’ny harena ambanin’ny tany sy ny fiantraikany eo amin’ny toekarena.
Natao ireo fanavaozana rehetra ireo mba hanatanterahana ny vina sy ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tanjona ny hanaovana ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany ho sehatra fanoitra sy hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, izay manan-karena ambanin’ny tany tokoa.
Njaka A.




