Nitohy tany Brickaville ny « Diaben’ny Famokarana », ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nahatratra 500 ny tantsaha sy mpiompy nahazo fiofanana, ny 17 jolay teo. Niofanana ny teknika Pfumvudza, mamokatra be amin’ny tany kely, ny fambolem-bary Papriz mampiakatra ny vokatra, ny fambolena akondro, ny fanovana ny fiompiana sns.
Nampahafantarina ny tomponandraikitra samihafa sy ny vahoaka any Besalampy ny lalàna vaovao mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fepetra tsy maintsy hanajana ny tontolo iainana, indrindra ny tsy azo idirana anaty faritra arovana, na inona na inona ny harena misy ao.
Vita ny fanarenana ny tetezana Manambery any amin’ny RN5A, eo anelanelan’i Vohemar sy Sambava. Natao ny 18 jolay teo ny fandraisana ara-teknika, midika fa manaja ny fenitra takina. Tsy mihoatra ny 30 taonina ny vesatra afaka mandalo eo aminy. Nanao ny asa ny orinasa sinoa CRBC. Tsiahivina fa simban’ny rivodoza farany teo ity tetezana ity.




