Manao tohivakana. Nanambara ny fijoroany tetsy Ankorondrano ny asabotsy teo ny fikambanana sy antoko politika mitovy fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mitambatra eo anivon’ny Vovonan’ny vondron’ ny mpitolona ho an’ny fampandrosoana (V3F) sy ny AJR Mada izy ireo. “Ilaina ny mampivondrona ny hery, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao ka antony nampitambatra anay ho
amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina”, hoy izy ireo. Tanjon’ ity vovonana ity ny hitondra makany amin’ny fanovana tsaratsara kokoa ho an’ny isam-batan’olona. Hanao angaredona ary vonona handray anjara mitambatra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo. Hitohy amin’ny fanitarana ny vovonana manerana ny Nosy izany. Hitady vahaolana koa ho an’ny vahoaka maroan’isa mba tsy ho vesatry ny fitondram-panjakana fa ho hery hoenti-mamokatra ho an’ny firenena. Nanambara izy ireo fa tsy manavaka. “Misokatra ho an’ny rehetra ary ho mitabe ho an’ny fampandrosoana. Afaka miditra ho mpikambana daholo rehefa manana finiavana hampandroso firenena sy miray vina amin’ny filoha Rajoelina”, hoy ihany ny V3F sy ny AJR Mada. Mametraka ny teny faneva : “Fiombonana sy fivoarana ary fihavanana”, izy ireo.
Synèse R.