Otrikafo : “Ilaina ny fifampiresahana alohan’ny fifidianana”

“Raha izao zava-misy izao no ikirizan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika mieritreritra hiroso amin’ny fifidianana, manahy izahay hoe: ianareo indray izany no hampiditra krizy vaovao, raha tsy hialohavana fifampiresahana ny fifidianana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia.
”Azo antoka fa tsy maintsy hanao ny fomba hahalany azy hitondrany ny fe-potoam-piasana faharoa ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy hanaiky ny fahalanian’ny mpitondra fanjakana ny fanoherana satria efa miahiahy ny tsy fahadiovan’ny fifidianana sahady dieny izao. Ny fifampiresahana ihany no vahaolana”, araka ny fanazavany.
Nanterin’ny Otrikafo fa tokony hojerena aloha ny momba ny fifidianana lasa teo aloha amin’ny hahazoantsika maka lesona sy hahazoana antoka koa ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Faharoa, na amin’izao fotoana izao aza, mbola adihevitra ny lalàna mifehy ny fifidianana.
”Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny fitokisana ny Ceni sy ny HCC. Matetika aorian’ny fifidianana ny ankamaroan’ny krizy teto amin’ny firenena”, hoy izy namarana ny fanazavany.

R. Nd.

Partager sur: