Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny vovonana « iParticipate ». Natokana ho an’ireo tanora tia mandray andraikitra.
Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Araka ny fanadihadiana natao, sehatra niomerika vaovao natokana ho an’ny fandraisan’ny tanora sy ny vehivavy anjara amin’ny fiainam-bahoaka sy politika eto Madagasikara ity hetsika ity. Maneho ihany koa ny dingana vaovao eo amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia ifandrimbonana.
Haharitra folo andro ny hetsika. Tanora avy amin’ireo faritany enina eto Madagasikara no hiatrika ny fiofanana mandritra io fotoana io. Ankoatra izay, ekipa iray voaofana sy manana ny haitarika no hanafana sy hanentana mandritra izany.
Iarahan’ny MJS sy ny Pnud ary ny Masoivohon’i Soisa misalahy ity tetikasa ity. Samy naneho ny fahavononany hampiroborobo ny fandraisan’ny tanora sy ny vehivavy anjara amin’ny fiainam-pirenena ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.
“Ry tanora, sahia manao fijery lavitra. Ankehitriny no fototra hametrahana ny hoavy, miaraka aminareo!”, hoy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, raha nametraka hafatra ho an’ny tanora izy, omaly. Tanjona ny hanome hery ireo tanora mba ho afaka maneho hevitra, mandray fanapahan-kevitra, ary mandray anjara amin’ny fananganana fiarahamonina misokatra sy mandroso.
Fitia Randria




