Jirama : Mitohy ny dinika amin’ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, omaly, mahakasika ny raharaha Jirama. Nanatanteraka izany, andaniny, ny solontena avy amin’ny fanjakana, nahitana ny ao amin’ny Holafitry ny prezidansa (ny talen’ny Kabi­netra sy ny Sekretera jeneraly), ny avy amin’ny minisitera voakasika, minisiteran’ny Fitsarana (Minjus), ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tahirimbolam-panjakana, ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). ankilany kosa ny solontenan’ny mpiasan’ny Jirama.
Votoatin’ny fihaonana ny hijerena amin’ny antsipiriany ny momba ny sata vaovao an’ny Jirama, araka ny resaka nifanaovana teny amin’ny Lapan’Iavoloha, ny 17 jolay lasa teo. Fantatra fa eo am-panomanana ny dinika manaraka ny roa tonta amin’ny famaranana mahakasika ity raharaha ity.
Raha tsiahivina, nanome toky ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ilay fihaonany tamin’ny mpiasa, fa mijanona ho orinasam-panjakana ny Jirama. Tsy misy ny fampihenana na fandroahana mpiasa. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Njaka A.

Partager sur: