VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 5t/ha ny voka-bary azon’ny tantsaha nampihatra ny teknika Papriz. Nampidi-bola 300 000 Ar ny velaran-tany 10 ara, raha 80 000 Ar ho an’ireo nampihatra ny fambolena nentin-drazana. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny CFFAMMA sy ny Fofifa. Miisa 153 ny teknisianin’ny minisitera Minae nahazo fiofanana hampiofana ho an’ny tantsaha 3 966.

Atao any Luanda Angola ny fivorian’ny minisitra momba ny fizahantany sy ny fitaterana ana habakabaka aty Afrika. Nanomboka ny 22 jolay teo izany, ka anisan’ny nandray anjara ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana malagasy, Rtoa Dewa Viviane. Misy ny atrikasa, ny famelabelaran-kevitra, ny fifanakalozana traikefa, mandritra ity fotoana ity.

Miisa 11 ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana nahazo fahazoan-dalana hisokatra any Sainte-Marie na Nosy Boraha. Tanjona ny hametrahana ny fanarahan-drafitra sy ara-dalàna amin’ny sehatry ny Fizahantany any an-toerana. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana (PGE) ny fampiroboroboana ny maha olona, manohana ny matihanina sy ny famoronan’asa.

Partager sur: