Hatao ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc » (SIW 2025), andiany faha-8. Mahatratra 400 ny mpandray anjara, avy amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny Tsenam-paritry ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Maherin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka sy mpanohana. Miisa 3 000 ny olona andrasana hitsidika ireo tranoheva 100. Lohahevitra amin’ity andiany faha-8 ity, ny hoe : « Fampiroboroboana ny indostria, ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy ny angovo azo havaozina ho an’ny Sadc afaka miatrika ny zava-misy ».
Feno ny fandaharam-potoana amin’ity hetsika ity. Hatao ny alatsinainy 28 jolay, ny fampahafantarana ny fifaninanana ara-barotra sy ny fidirana ao amin’ny tsenan’ny Sadc. Hisy ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny orinasa Ravinala Airport sy ny AGF Bank. Ho zaraina koa ny mari-pamantarana « label Malagasy ny Antsika ».
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny tala 29 jolay, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Hotsidihina ny tranoheva. Eo koa ny famelabelaran-kevitra miompana amin’ny lohahevitra samihafa. Toy ny lafiny harena an-kibon’ny tany, ny angovo sy ny indostria, …. Eo koa, ny fampidirana ny orinasa madinika, PME, anaty ny rohim-pihariana ny harena saro-pady ho an’ny angovo maitso sy ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, sns. Hisy koa ny fitsidihana orinasa indostrialy vitsivitsy.
Njaka A.




