Miisa 22 ny feso na « dauphin » hita faty tany amin’ny Helidranon’i Besikidy, Nosy Hara, any amin’ny distrika Antsiranana II. Nahita azy ireo voageja tanaty ala honko, ny ekipan’ny Madagascar National Parks (MNP), nandritra ny fisafoana, ny 21 jolay teo. Ahina ho mety nitsoaka ny trozona mivezivezy an-dranomasina no nahafaty azy ireo, rehefa nihena ny rano.
Maro ny toerana mampiasa zaza, asaina mitrandraka harena an-kibon’ny tany. Eo am-pamolavolana ny Drafitra nasionaly hiadiana amin’ny fampiasana zaza (PNA 2/LTE). Mandeha ny fakan-kevitra any amin’ny faritra, toy ny any Diana sy Sofia ary Sava, ny herinandro lasa teo. Efa vita ny tany Matsiatra Ambony.
Nanatrika ny atrikasa momba ny fitandroana ny anaty ranomasina i Madagasikara, tany Kingston Jamaika. Nifampizarana ny traikefa sady nandinihina ny tsindry mety hisy raha toa ka trandrahin’ny olombelona ny metaly sy ny mineraly sarobidy ao ambany ranomasina. Manaitra ny rehetra ny mpikaroka fa mila mamoaka lalàna haingana ny fanjakana tsirairay.




