Manohana mivantana ny hetsika Fihaonamben’ny fampiofanana, ny asa ary ny fampananasan’asa (CFME) ny orinasa Yas. Hatao etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba (AFT), ny 28 jolay hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-9. Fotoana hihaonan’ny matihanina mivantana amin’ny fampidirana mpiasa, ny mpianatra ary ireo mitady asa. Eo koa ireo rafitra mpampiofanana amin’ny sehatry ny asa.
Anisan’ny tanjon’ny CFME ny manoro lalana ny tanora sy ireo mitady asa, ny lalana aleha amin’ny fitadiavana asa, arakaraka ny diplaomany na ny fahaiza-manao ananany.
Hisy ny famelabelaran-kevitra, atrikasa miompana amin’ny fandraharahana. Eo koa ny mahakasika ny fampiofanana. Anisan’ny zava-dehibe ho hita eny ny tranga azo araraotina amin’ny tsenan’asa na fiofanana any ivelany amin’ny lafiny fandraharahana, ny niomerika. Tanjona ny hanamorana ny fifandraisan’ireo sehatra rehetra voakasika amin’ny toerana iray. Miisa 40 ny tranoheva hita eny amin’ny AFT Andavamamba.
Njaka A.




