Hatao ny sabotsy 26 jolay izao, ny tapany farany amin’ny “Rallye des Industries”. Hotanterahina amin’io ny lalao manasa-dalana sy ny famaranana lehibe. Hanaporofo ny fahaizany sy ny paikadiny ireo mpifaninana taorian’ny fifantenana tamin’ny 12 jolay lasa teo. Eo amin’ny sehatry ny fanondranana, ny tontolo iainana ary ny politika indostrialy no hifaninanana amin’ny alalan’ny fitsapana telo mifandimby izay mitaky fahaiza-mamorona, fahaiza-manao ara-teknika ary vina lavitr’ezaka. Fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny fianarana ambony sy ny sehatra indostrialy no tanjona lehibe amin’ny hetsika, araka ny fanazavan’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) sy ny agence Mercatis, mpikarakara ity fifaninanana “interuniversitaire” ity. Nodinihina ny vahaolana naroson’ny ekipa tsirairay sy ny fifanarahany amin’ny zava-misy iainan’ny sehatra ara-indostria eto an-toerana.
Hanokatra ny fifaninanana ny adihevitra mivantana manodidina ny lohahevitra hoe “Ahoana no hahafahan’ny oniversite mandray anjara amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatra indostrialy eto Madagasikara?”.
Nanome traikefa tsara sy fanatsarana fahaiza-manao ny fidirana anaty orinasa ity fifaninanana ity, raha ny fanazavan’ireo mpandray anjara. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Herinandron’ny Indostria ao amin’ny Sadc (SIW 2025) ny ekipa handresy amin’ity fifaninanana andiany voalohany, ny taona 2025, ity.
Henintsoa




