VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny lalana Andranotapahina sy Ivato, ny Voie Rapide manomboka eo amin’ny Rond-Point Ivato Don Bosco hatrany amin’ny Rond-Point Andra­notapahana. Manodidina ny 4 km ity ampahany farany ity.

Nampahafantarina tany Ambovombe, ny fanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny 22 sy 23 jolay teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana, ny mahakasika ny tontolo iainana, ny fandraisana andraikitra amin’ny sosialy (RSE). Eo koa, ny andraikitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Mbola vitsy ny mpialasasatra mankany Foul­pointe, amin’izao fotoana izao. Antony, manorana
ny andro any an-toerana, fa eo koa ny fanadinana Ba­ka­lorea, toy ny isan-taona. Nilaza ny mpandraharaha fiantranoana any an-toerana fa aorian’ny 15 aogositra no tena maro ny mpialasasatra tonga any an-toerana, satria manomboka maina ihany koa ny andro.

Partager sur: