Fametavetana ankizivavy: Lehilahy naiditra amponja eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tovolahy iray, voasambotra ny 19 jolay lasa teo. Sady mametaveta ankizivavy izy no mandrakitra izany anaty horonantsary.

Misarika ireo tovovavy tanora amin’ny alalan’ny fakana sary atao amin’ny dokambarotra ity lehilahy iray nanolana zaza tsy ampy taona ity. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, ny 23 jolay teo izy. Nanao fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera Fa­ce­book io lehilahy io fa mitady tovovavy atao “Modèle photo” sady ho karamaina lelavola hatramin’ny 2 tapitrisa Ar. Maro ireo vehivavy tafaroboka ka nasain’io lehilahy 34 taona io manao fihetsika mamoafady. Tsy vitan’io, omeny fitaovana samihafa fampiasa amin’izany fihetsika tsy mendrika izany koa ireo vehivavy. Tereny tsotr’izao hiray aminy ireo vehivavy tonga haka sary ao aminy. Tsy sahy mitoroka noho ny fandrahonana nataon’ilay lehilahy ny ankamaroan’ireo lasibatra. Noraho­nan’io tsy valahara io aparitaka raha teo ny horonantsary efa azony raha toa ka misy ireo mikasa hitory azy.

Renim-pianakaviana nitory

Ankizivavy vao 14 taona monja, anisan’ny lasibatry ny fisandohana niampy fanolanana nataon’io lehilahy io. Naharaka ny zava-nisy rehetra niainan’ilay renim-pianakaviana rehefa tsy nanafina taminy io zanany io. Name­traka fitoriana teny anivon’ny polisim-pirenena avy hatrany izy. Niroso tamin’ny famotorana ny mpitandro filaminana. Voamarina fa tena fanaon’io lehilahy io tokoa ny manolana sady mampanao horonantsary mamoafady ireo vehivavy tonga ao aminy. Voasambotra izy, ny 19 jolay teo. Naha­trarana ireo karazana fitaovana samihafa izay nomeny nampiasain’ireo vehivavy tao amin’ity farany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy 14 taona. Niakatra fampanaovana ny raharaha, ny alarobia teo.

Tsiferana R.

Partager sur: