Ivato-Ambohitrimanjaka : Hisokatra amin’ny volana aogositra ny lalana

Vita ny ampahany farany amin’ny lalana « voie rapide » vaovao. Miainga eo amin’ny fihodinana « rond-point » Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mi­refy 4 km ity ampahan-dalana ity, izay hanomboka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana amin’ny fiandohan’ny volana aogo­sitra ho avy io. Nijery ifotony teny an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny alaka­misy 24 jolay teo. Hita fa tanteraka ny asa sady vonona ny fotodrafitrasa rehetra natao.
Hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity lalam-baovao « voie rapide » ity. Mampifandray ny Renivohitra sy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato hatrany Ambohitrimanjaka. Hampitohy mivantana ny toerana mpivarotra taozavatra malagasy eo Ambohitrimanjaka mifandray amin’ ny Boulevard de l’Europe (67 ha Ankasina) ihany koa.
Etsy ankilany, mitohy ny asa fanitarana ho arabe azon’ny fiara efatra ifanenana (4 voies) ny lalana eny Tsarasaotra, man­dalo ny Lake Iarivo, hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Anisan’ny tanjona ny hanatsarana, hanamorana ary hanafainganana ny fifamoivoizana mankany amin’ny seranam-piaramanidina, satria tsy maintsy hajaina ny ora fiain­gana na fahatongavan’ny fiaramanidina.

Njaka A.

Partager sur: