Sadc: Hatao kaontinanta indostrialy i Afrika

Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc).

Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Ma­da­gasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinan­dron’ny indostrian’ny Sadc», na­tomboka, omaly, ha­tramin’ny 1 aogositra 2025. No­tsipihin’ny minisitry ny Fampi­­roboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofi­ringa Bruno, omaly, fa tanjona lavitra ezaka ny haha kaontinanta indostrialy an’i Afri­ka amin’ny taona 2063, ka hihena ny fahantrana. Satria, maoteran’ny fampandrosoana ny in­dostria. Ho an’ny filohan’ny Sen­dikan’ny indostria eto Ma­da­ga­sikara (Sim), Rasami­manana Tiana, «hatao mpandray anjara ny sehatra tsy miankina, fa tsy mpitazana».
Lohahevitra noraisina ny hoe «fampiroboroboana ny in­dostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny tetezamita mankany amin’ny angovo azo havaozina mba hisian’ny Sadc afaka miatrika ny zava-misy».

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina

Anisan’ny hodinihina mandritra ny fivoriana ny fifandraisan’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo ary ny indostrialy. Hojerena ny rohim-pihariana amin’ny akora ambanin’ny tany saro-pady mba hisian’ny tetezamita mankany amin’ny ango­vo azo havaozina andraisan’ny rehetra anjara aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hodinihina ny fampidirana ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny rohim-pihariana isam-paritra. Eo koa ny fanafoanana ny sakana amin’ny lafiny haba, hampalalaka ny fifanakalozam-barotra eo amin’ireo firenena 16 mpikambana.
Nohamafisin’ny sekretera mpanatanteraka lefitry ny Sadc, Angele Makumbo N’Dumba, fa hisy ny fifanarahana iraisana hatao, aorian’ity hetsika ity. Mifototra amin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina entina hampandrosoana ny indostria, ny ambanin’ny tany, ny angovo maitso, ny sehatry ny fanafody, sns izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: