Fizahantany: Nivoaka ny boky « +261 Expériences Madagascar »

Nampahafantarina ny 25 jolay teo ny hamoahana ny boky torolalana ho an’ny fizahantany «+261 Experiences Mada­gas­car». Manantontosa azy ny Ofisim-pirenena ho an’ ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Mirakitra ireo toerana mahaliana sy miavaka ara-pizahantany eto amintsika ity boky ity.
Nambaran’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONTM, Barivelo Danny, fa tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Hita ao ny traikefa nentin’ny matihanina sy ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny faritra rehetra mahaliana eto amintsika. Ahafahana mahita ny fa­hasamihafana, ny harena ara-kolontsaina sy ny tontolo voajanahary isaky ny toerana.
Azon’ireo matihanina, ny rafitra ara-pizahantany, ny fi­kambanana na vondrona olona, ny manana tetikasa, ny mpanao tolotrasa, sns, ny manolotra ny traikefany isanisany avy any amin’ny ONTM, mialoha ny 17 aogositra 2025 ho avy izao, mba hampidirana ao anatin’ny laharana voalohany ny «+261 Experiences Madagascar». Misy ny fepetra arahina sy ny sivana hatao. Toy ny mba hiteraka fihetseham-po mafy sy tsara, ho tsaroana foana maharitra. Eo koa ny fampisehoana ny lafiny tsara amin’ny fandraisana, ny dia, ny fandriampahalemana, sns.
Hivoaka isan-taona ity boky torolalana ity, hatonta taratasy sy niomerika. Haparitaka maneran-tany sy eto Mada­gasikara. Haseho voalohany amin’ny fomba ofisialy mandritra ny “Salon Solidarissimo”, ny 7 hatramin’ny 9 novambra 2025, any Colmar Frantsa.

Njaka A.

Partager sur: