Fambolena: Manohana ny tetikasa vary safiotra ny FAO

Nitsidika ny Foibe fitaratra mahakasika ny famokarana masomboly vary safiotra eny Andranovaky Mahitsy, ny tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO), ny Dr. Qu Dongyu, ny sabotsy 26 jolay teo. Nitarika azy teny an-toerana ny Sekre­te­ram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Rtoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo sy ny mpiara-miasa aminy. Nojerena manokana ny vokatra sy ny fomba fa­mokarana ny vary safiotra, ambolena anaty velaran-tany 44 ha. Teo ihany koa ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny kaoperativa Sompitra.
Hita teny ifotony ny paikady ahafahana manaparitaka ny teknika famokarana ity ka­razam-bary ity. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny vina na­petraky ny filoha Rajoelina Andry ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Nanome tolo-kevitra mom­ba ny fiarahana mandrindra ny fanofanana ny tantsaha amin’ny fifehezana ny teknika momba io masomboly vaovao io, ny tale jeneralin’ny FAO, ny Dr Qu Dongyu. Homena lanja ny tanora amin’ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Marihi­na fa efa tale jeneralin’ny Aka­demian’ny siansan’ny fambolena tany Sina ity tale jeneraly ity. Efa minisitry ny Fambo­le­na sy ny tontolo ambanivohitra ihany koa. Mpisehatra amin’ny fambolena vary safiotra nandritra ny 25 taona ihany koa izy, sady mpianatry ny profesora Yuan Longping, Rain’ ny vary safiotra.

Njaka A.

Partager sur: