VAOVAO TAMBATRA

Tonga ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny fandrarahana godirao ny RN-13, miainga avy any Ambo­vombe. Tetezam-by vitsivitsy sisa no hasiam-panamboarana ato anatin’ny 3 volana, vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faramparan’ny volana oktobra, ka ao anatin’izany ny tetezana Ranopiso, maherin’ny 100 metatra.
Manana tanjaka 1 MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, any Ma­nanara Avaratra. Mahatratra 741 kWh ny tanjaky ny bateria mampihodina azy. Distrika roa no mandrafitra ny faritra Ambatosoa (Maroantsetra sy Ma­nanara Avaratra), ka renivohitra i Maroantsetra, misy ny biraon’ny prefektiora.
Misokatra ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Foibe fiofanana ara-pambolena (Cafpa), mi­isa 9. Natao ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 23 taona. Mandritra ny 2 taona ny fiofanana ho an’ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra. Hatao ny 20 aogositra ny fifaninanana. Azo atao ny manatona ny biraon’ny Drae, ny Cirae, Cafpa, Efta.
Novolavolaina ny Paikady nasionaly momba ny famatsiambola ho an’ny toetr’andro. Mana­tan­teraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) sy ny FMI, ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena, ary ny Foibe maneran-tany hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hanatsarana ny fitan­tanana ny loharanom-bola, toy ny tsena karbôna, ohatra.

Partager sur: