Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo.
Niainga avy any Cambodge ny hosoka ary tonga tany Iran. Tsy nanohy ny fifampiraharahana intsony ny fanjakana malagasy. Hagagana ny an’ny mpitantana nahita fa nipoitra tamin’ny 20 jolay indray ny raharaha, nahalalana fa nisy mpandraharaha tsy miankina nanohy azy taty aoriana.
Manoloana izany, nametraka fitoriana ny fanjakana malagasy, noho ny fitaka sy hosoka. Mitohy ny famotorana, misy ny olona efa voasambotra ary ao ireo mbola karohina. Anisan’ ny namoahana didy fikarohana sy fisamborana ny teratany malagasy iray, Andriamanarivo Heriniaina Rijasoa, sy teratany indiana iray, Khushwinder Singh. Namoahana didy tsy mahazo mivoaka ny sisintany (IST) eto Madagasikara ihany koa ireo olona roa ireo ary misy koa no efa voasambotra.
Nanotrona ny minisitra Ramonjavelo Valerie ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny mpampanoa lalàna.
Raha ny vaovao fantatra, nisy mpandraharaha nikasa hiara-miasa amin’ny firenena malagasy hitrandraka ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena (Eoropoa, India ary Sina), ka hanolotra fiaramanidina miisa 5. Nijery ireo fiaramanidina ireo tany Sina ny teknisian’ny Aviation civile de Madagasikara (ACM), araka ny dingana ara-dalàna amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voalaza fa taratasy fanomezana laharana (CIP) vonjimaika no afaka omena, nifarana ny 17 avrily 2025, ka hatsaraina ara-teknika atsy Kenya. Nifarana teo ny fifanarahana ary tsy nisy vaovao intsony. Nahazo fampahafantarana anefa ny ACM fa niala tany Cambodge ny fiaramanidina. Tany Kenya no nifanarahana saingy izao voalaza fa any Iran izao. Napetraka ny fitoriana any amin’ny OACI.
Njaka A.




