SADC : Efa mirona any amin’ny indostria i Madagasikara

Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Mada­gasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo firenena 16 ao anatin’ ny Sadc. Notsindriany fa efa nataon’ny fitondram-panjakana malagasy laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny indostria, tamin’ny alalan’ny fananganana indostria miisa 57 tamin’ny alalan’ilay tanjona « Distrika iray indostria iray » (Odof). Ho an’ny fanatsarana ny famokarana, tafakatra 12,5 t/ha ny voka-bary, raha 2 t/ha tany aloha. Eo koa ny fampiasana ny angovo azo havao­zina, tamin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa herinaratra avy amin’ny masoandro. Mahakasika ity farany, notsipihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean Baptiste, fa ho dinihina mandritra ity Herinandron’ny in­dostrian’ny Sadc ity ny fika­rohana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena mpikam­bana. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny sehatry ny fanjakana sy ny tsy miankina. Toraka izany koa ny fifanakalozana traikefa. Nomarihiny fa « mila jerena ny lafiny lalàna, ny fepetra ary ny fenitra, satria hiditra amin’ny fanovana lalina isika. Ho an’i Madagasikara, tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana ny Jirama ny hahazoan’ny 70% ny Malagasy angovo azo havaozina, izay efa manomboka amin’izao fotoana izao ».

Fanamoran’ny fanjakana
Notsidihina ireo tranoheva mandray anjara amin’ity he­tsika ity, ahitana ireo orinasa indostrialy malagasy. Nam­baran’ny filohan’ny Sendikan’ ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rafalimanana Tiana, fa “tanjona ny ahafahan’ny orinasa malagasy manondrana any ivelany, mikaroka lalambarotra vaovao, ao anivon’ny tsenam-paritra Sadc. Ary izay no ilàna ny fanjakana hanamora an’izay fandraharahan’ny ma­lagasy izay”.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: