Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. Nahatsapa ireo mpanatrika, fa « misy tokoa ny zavatra manan-danja amin’ny tolotra omen’ity banky ity mifanandrify amin’ny filan’ny mpandraharaha, ny orinasa tena madinika na ny salantsalany (TPE-PME). Tsotra sy nohamoraina ny tolotra omeny amin’ny fampindramam-bola ».
Maro ny orinasa miara-miombon’antoka amin’ny Sipem Banque, amin’ny alalan’ny fahafahana mandoa tsikelikely ny vidin-javatra, toy ny Madauto, ny Vmoto, ny Probike, ny CFAO, ny Pharmadiff Solair, ny Solarmax, sns.
Nampahatsiahivina tamin’ity fotoana ity koa ny fanalavana ny fotoana findramam-bola amin’ny tahan’ny zanabola 9 % (Miabo) sy 9,5% (Miabo Flash) isan-taona. Tsiahivina, fa natao teto an-dRenivohitra ny andiany voalohany, tany Antsirabe ny faharoa ary tany Toamasina ny fahatelo tamin’ity hetsika ity.
Njaka A.




