Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifampizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy.
Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina tetsy amin’ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc, etsy amin’ny Novotel, io lohahevitra io. Anisan’ny sosokevitra ny fampiasana solika madio sy ny angovo maitso, ny fampiroboroboana ny fitaterana mandeha amin’ny herinaratra, sns.
Nohamafisina ny fahaiza-manao amin’ny fanjonoana « Palangrotte » sy « Palangre », any amin’ ny kaominina Beheloke, Toliara II. Fitaovana tahom-panjonoana vahiny amin’ny ranomasina ireo. Miisa
20 ny mpanjono niofana, ka avy amin’ny fikambanana vovonana LMMA Vezo mitsinjo ny ho avy ny 10 ary avy amin’ny LMMA Vonihara ny 10 ambiny.




