FANTINA sy FINTINA

Atao ny fanadihadiana hanarenana ny tetezana Efasy sy Mahavavy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, iarahana amin’ny tetikasa PCMCI, toha­nan’ny Banky iraisam-pirenena. Manomboka ny fanomanana ny fametrahana ny fototry ny tetezamby vonjimaika ny eo amin’ny reniranon’i Mahavavy. Tsiahi­vina, fa simban’ny rivodoza farany teo ireo tetezana roa ireo.

Manohana ny fanaovana asa tanana ho an’ ny vehivavy ny orinasa Axelle Madagasikara, in­drin­dra ny renim-pianakaviana 18-35 taona. Anisan’ izany ny fanjairana, ny fanaovana petakofehy, ny « crochet », ny « dentelle », sns. Raisin’ny orinasa hi­asa mivantana ao aminy ny 90% amin’ireo nahavita fiofanana.

Miisa 27 mianadahy ny Kaomity mpanara-maso (CCS) ny harena voajanahary, any amin’ny Fa­ritra arovana an-dranomasina (AMP) Ankivonjy, Be­ma­nevika, Ambanja nahazo fiofanana. Nanome tan­tsoroka azy ireo ny ONG WCS, miara-miombon’antoka amin’ny fari-piadidian’ny Jono sy ny toekarena manga Ambanja.

Partager sur: