FIVAPOVA : Nosokafana ny zaikabe andiany fahefatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina, omaly, ny zaikabe Fivapova, andiany fahefatra. Efa tonga any avokoa ireo mpizaika maherin’ny 3 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Talohan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy, nisy ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy Ramatoa vadiny, Rakotoarimanana Faniry, filoham-boninahitry ny fikambanana. Teny manentana ny hoe : “Viavy miray hina rô, iray vina e!”. Tanjon’ny hetsika ny hitsinjovana ny maha olona, hampitomboana ny firaisankina, hampivoarana ireo mpikambana ary ny hanohanana ny asa maha polisy. Ahitana hetsika maro any an-toerana, toy ny fanatanjahantena, ara-koltoraly ary ny ara-tsosialy. Ahitana famelabelaran-kevitra iresahana mahakasika ny zo ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ihany koa. Hanampy ireo ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana sy ny maro hafa.

Mino

Partager sur: