Delegasionin’ny Sadc : Nitsidika ny Star Ambatolampy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Heri­nandron’ny indostrian’ny Sadc” (SIW), ny fitsidihana orinasa. Anisan’izany ny fidinana ifotony tany amin’ny ozinina Star Ambatolampy, ny 1 aogositra teo. Fotoana nahitan’ny delegasionin’ny Sadc, miisa 50, ny firoboroboan’ny indostria eto amintsika sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Nampisehoana ny fampivoarana ny indostria mifandray amin’ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana sy ny hoavin’ity sehatra ity ao amin’ny faritry ny Sadc.
Anisan’ireo ozinina 5 lehibe an’ny Star ny ao Am­batolampy, mamokatra zava-pisotro 1 943 000 Hl isan-taona, miantoka ny 1/3 ny vokatra rehetra vokarin’ny orinasa. Vina ato ho ato ny hamokarana rano fisotro anaty tavoahangy vera. Manana mari-pamantarana iraisam-pirenena ara-pahasalamana (FSSC22000 V6), ara-kalitao (ISO 9001), ara-pahasalamana (ISO 45001) sy fiarovana ary ara-tontolo iainana (ISO 14001) ny Star.
Nipoa-tsatroka ny orinasa ny lehiben’ny delegasionina, ny Sekretera mpanatanteraka lefitry ny Sadc, Angele Makombo N’Tumba. Nilazany fa azo atao ohatra tsara aty amin’ny faritra Sadc ny ataon’ny Star.

Njaka A.

Partager sur: