Etazonia : Haban-tseranana 15% ho an’i Madagasikara

Afaka miaina kely! Nam­pahafantarin’ny ambasadaoro malagasy any Whasington, ny zoma 1 aogositra teo, fa 15% ny tahan’ny haban-tseranana ampiharina amin’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any Etazonia. Azo raisina fa fandresena ho antsika io fepetra io satria, efa nitaintaina mafy ireo mpandraharaha sy orinasa malagasy, manondrana entana mankany Etazonia. Misitraka io taha 15% ny firenena afrikana hafa, toa an’i Lesotho, Malawi, Mozambika, Maorisy. Raha ny fanambaran’ny filoha amerikana Donald Trump mantsy, mahatratra 47% ny taha hampiharina ho an’ny firenena afrikanina aty amin’ny tapany atsimo, ka mihatra manomboka ny fiandohan’ny aogositra izao. Ma­rihina fa tonga any Whasin­gton ny delegasiona malagasy, nifampiraharaha tamin’ny tomponandraikitra amerikanina, nahazoana izao fahombiazana diplaomatika ara-toekarena izao.
Midika izany fa afaka mifaninana amin’ny entana avy any amin’ny firenen-kafa, toy ny aty Afrika, ny vokatra malagasy aondrana any Etazonia. Voakasik’izany ny vokatra ao amin’ny alalan’ny tsena Agoa, indrindra ny lamba, ny taozavatra, sns.
Ambony noho ny antsika kosa ny haban-tseranana am­piharina amin’ny entana avy any Azia, toa an’i Cambodge sy Malezia (samy 19%), Vietnama (20%) ary 40% ny avy any Laos.

Njaka A.

Partager sur: