Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny Antsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy hatrany izy.
Mitsipaka ny rafitra manatanteraka ny fifidianana izy ireo. Tsy manana fahaleovan-tena izany satria tsy misy solontenan’ny Ceni na iray aza ao anatin’ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Vokam-pifidianana miainga avy any amin’ny SRMV, baikon’ny ministeran’ny Atitany no mivantana any amin’ny Ceni foibe fa tsy vokatra azo any amin’ny birao fandatsaham-bato.
Soso-kevitry ny antoko, ny hanovana io rafitra io ka takin’izy ireo ny iandraketan’ny Ceni manontolo ny raharaham-pifidianana rehetra ao anaty biraom-pifidianana. Antony, ny mba hisian’ny vokatra madio sy marina. Fotoana nandinihan’izy ireo ny raharaha tokantranony, ny raharaham-pirenena ary ny iraisam-pirenena ihany koa io. Miady amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ny tanjon’ny antoko.
Mino (Mpianatra asa)